Inona no ilavana ny mianatra ela be raha tsy misy ahafahana mamokatra amin'izany fianarana izany akory.
Maro dia maro ireo mpianatra eny amin'ny anjery manontolo, mampanontany tena hoe "dia ho aiza daholo ireto tanora ireto?" Raha ny eto an-drenivohitra fotsiny dia efa hita hoe hipoka daholo ny tontolo ahafahana miasa ara-dalàna, tsy maintsy miolikolika sy misisisika etsy sy eroa vao mahita zavatra tsy maharitra akory na tsizarizary. Raha ny lalana mazava moa no arahina dia efa voabahan'ireo mahitahita ka tsy dia misy antenaina intsony. Ahoana moa no ahafahan'ny olona miaina ao anatin'ny rariny sy ny hitsiny ho tafavoaka raha toa ka sakana foana no hita fa tsy misy tosika mihitsy?
Mankaleo fa ho anareo izay mamaky ity lahatsoratra ity dia mba ilazao izay fomba natafavoaka anareo nahitana asa (izay inoako fa tsy noho ny fianarana ela be mihitsy angamba), na izay mbola miady mafy mitady asa.